Fanantenana (Aloky Ny Sento )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho inonao intsony ny hamantatra ny ampitso ry fo efa voaozonaHo inonao akory na ho ratsy na ho soa no handravaka ny vozona
Ho inonao intsony izay mety ho sarim-baliny
Fa ...ndehana tohizo hatrany ny mitsiahy ny omaliny
Apatraho ihany ny ranomaso, alahelo, ny sento sy ny tariny
Vereno sainina ny endrikendrin-tsariny
Ezaho rodanina izay efa namboamboariny
Maniry izato ianao andrandrao ny mba ho lasana
Efa etsy am-pita etsy ny vahaolanao: NY FASANA
#AlokyNySento
#Fanantenana_farany
--------
Rohy: