Tombam-bidy (Aloky Ny Sento )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tambim-bidy
Tora-po voaratra nitroatra tao an-tratra fa nisy nanambaka
No foiko afafin'ny rivotra hifofo mba hamefika ny fony
Ho fety fifaliako raha to ny faniriako tsy hihiratra intsony ilay fony mpampaory
Satriko tokoa raha ny foko no hampariko, ny hatezerako no hitariko
Saingy aleoko aloha mitony, mangingina tsy miteny na dia vonton'ny tomany
Mbola ho tsapany any taona, hohitankitany eny ho eny ny tomaniko omaly
Tsy manozona aho anefa, izaho no te ho diso fiantefa tamin'ilay fo nilefa
Fa safidy kosa ny ahy ny mitaky tambim-bidy, miandrandra izay mba didy
Ilay fony feno fitaka, ho feno noho ny ahy izato alahelony
Hohenonkenony ho neniny ny todin'ireo helony
Ho hainy fa mangidy ny voaratran'ny fitia
Dia tora-po voaratra, nitroatra tao an-tratra fa nisy nanambaka
No foiko afafin'ny rivotra mifofo hamefika ny fony.
--------
Rohy:
63 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aloky Ny Sento
Nampiditra : sarobidy.ans
Daty : 08/02/2025 18:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.014