Aza kivy (Aloky Ny Sento )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza kivy
Ny sento izay manaloka no marika ahafantarana fa mitaratra miafina ilay mazavam-pahasambarana
Ny aloka no misy nohon'ny taratra mitsilo anefa koa ny mazava tsy ho sahaza ireo tsy mino
Aleo ny lasa omban'ny lasa ndeha ny ampitsonao diniho, misentoa, mitrakà, ny finiavanao ampio
Soratsorato izay mba nofy sy ireny rediredy ireny, hihoary ny tontolo izay mahasoa anao zahao
Ezaho takarina ny tendro faratampony indrindra, aza kivy raha tsy tody etsy am-pita indray mifindra
Ezaho hananana ny tsy hisy, ny tsy hita koa tadiavo; miarena mitsangana raha solafaka na lavo
Raha lasana ny havatiana, tombon-dalana ny azy, aoka ianao tsy hifendrofendro ; fahafatesana tsy sazy
Raha tsy anjara ilay notiavina, aza lavina, ongoty,katsano, tapaho, aza hananana antra ny faka,taho sy ravina
Raha manjombona anio, maizimbolana rahalina; fiainana io ka hiaino, ny ampitsonao fantarina
#Aloky_ny_Sento©️
#comeback
repost2015
--------
Rohy:
133 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aloky Ny Sento
Nampiditra : sarobidy.ans
Daty : 08/02/2025 18:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0146