Adino (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsingerin-taonako anio, tsy nisy izay hoe fety
sakafo tsotra no naroso sy nanaovana ny mety
efa tao an-doha kosa hoe ianao ilay handalo
niandry ny maraina atramin'ny alina amin'ny valo

niandry teo foana fa hoe ianao hoavy ihany
torimaso moa hadino fa ny saina efa any
fa nijery varavarana tsy nitsahatra mihitsy
mety hoe rehefa avy eo, nefa adinonao indrisy

noheveriko fa hoe tia ilay orokao omaly
fa fitia tsy misy akory ary koa nampijaly
alahelo no nameno ny alin'ilay andro tiako
tsy mba teo ianao ry tiana mba hoe nifaliako

andro vitsy dia hadino ilay hoe tiana- alahelo
na dia tao anaty loha ilay fitia izay naneno
fa niova loko indray ilay foko mavo teo
toa lasa menamena sady lavitra toreo .

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1306 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 05/09/2011 18:21)
Tsara. Mahay miova loko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 02/09/2011 08:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158