Anjara (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay nanaiky fa ho fitia izay ho mafy
nefa indrisy ankehitriny fa dia sahy mampirafy
fa ny vady sy ireo zanaka no hoe efa mankalao
ka naleonao nandeha, hanao fianam-baovao

ilay vady efa trotraky ny taiza sy ny adidy
no lazainao fa adala sy hoe kizitina izay tsy izy
ny ankizy moa dia hoe tsy mba misy hakana aina
nefa ianao ray mihitsy no efa adala tsy misaina

fa tanora no hasolo ity vady hoe tsy tiana
efa antitra sy trotraka, mahafeno hakiviana
ny ankizy tsy heverina fa mety harary fo
mody lazaina fa tsy foy sy hoe tiana tokoa

nandeha ny andro, ny taona indro lehibe ireo zaza
ilay reny efa niova fiainana sy nahazo ny sahaza
ianao moa miezaka ny ho lafatra tokoa
ka mihafy na tsy tiana, mampiasa hambo-po

Fa efa leo anao ilay sipa, efa miteniteny foana
hodianao be marenina, tsy mamaly, toa moana
fa ny lalànao tapaka, efa tsy afaka mankaiza
satria lavin'ny ankizy, fa hoe ray tsy nitaiza

nenina no mandrotika ity fo izay nitady soa
ankehitriny matahotra ny ho votsotra eo koa
tsy hay intsony izay atao fa hoe efa tsy tiana
ka indro fa manenina, miandry indray ny hariana

fa ianao efa antitra, tsy hahita olona ho tiavina
iretsy ankizy koa anefa, tsy ho tia, ho tsiravina
ka tsy sahinao akory ny hoany hifamela
hiainanao indray izao, ilay anjara hoe tavela

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 12/07/2011 14:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147