Fanirian'i Neny (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ary ho lazaiko anao ilay fahorian'i Neny
voavaly sy voahompa raha sendra ka miteny
ilay zanaka tsy foy, izay tiana mba hahitsy
midrikina sy tsy manaiky, mankarary fo mihitsy

Tsy azo ariana, tsy azo omena fa an'ny tena ireny
tsy hay intsony ny atao, na angoty tsy ekeny
fa lazainy ho mandambo izay miharo hafetsena
tena efa mafy loha, manao ditra tsy hay fefena

ny fianarana tsy ilaina hoy ity zaza raha tenenina
ilay Reny manamafy sao izy ka hanenina
fa aoriana no handatsa ireny ezaka tsy vita
ka hanao hoe tahak'izay, dia hitomany sisa

lany haiky itsy Reny, mila ny hiala adidy
anefa izany tsy ho mora raha atao ny safidy
satria ny zanaka an'ny tena na lehibe na koa kely
tsy azo avela na maditra, tsy azo ariana velively

tsy misy bedy no fiainana lazainy fa hoe marina
nofy ny azy, ka hiriako na hianjera aza ho tafarina
any andro any taona, ho tonga saina sy ho matotra
ka hisaina fa ny anatra nomena azy anie tsy fatotra

ka hangeja azy, tsy hanaovany ireo izay ditrany
fa teny soa ahatongavany amin'ny tena sitrany
hiezaka izy ho tafita, tsy hitady fanampiana
eny ho amin'ny avo indrindra, tena izay no iriana.

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
1302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 23/07/2011 17:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144