Fihovam-pisainana (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tondro-molotra no ahiako, iny rehefa osa aho
ho kotsan'ireo fosafosa toy ny orana mitraho
aza misy anie izany, fa dia tsoriko hazava
tsy ho tantiko mihitsy toy ny rora atsipy an-tava

ireo olona milaza fa hoe tia sy miahy
rehefa tonga ilay loza dia miafina tsy sahy
fa mitazana eny lavitra, io ianao miady irery
misy aza ny mitsiky, mahazo fafiny mijery

ezaka no atao, tsy ho resy ny ao an-doha
iny vizambizan-tsaina dia mivavaka aloha
fa iny koa manampy, mampahery raha resy
tsy mitady saina ratsy na hiova ho fetsifetsy

ireo olona miandry, eny misy tena mankahala
soa ihany fa tsy rehetra fa mba misy tsy sahala
misy koa ny mba tia, tsy mihatsara ivelany eny
ka azo itokisanao sy azonao hinoan- teny

efa ratsy hoy aho ny tany hoy iRabary sahisahy
raha taloha aho no nianjera, maro no namonjy ahy
ankehitriny anefa, efa foana izany , indrisy
ny fiainana mihasarotra no mampiova zava-misy.


Ilay fisainana miova, ny toetra tsy ho lazaina
fa dia sahy mitazana, mijery ny taraina
fa hoe samy manana ny olany, fa mafy ny krizy
ka dia lasa mafy fo sy ratsy loha izay tsy izy.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 19/09/2011 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146