Fiononam-po (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho azy, eny ry tsy hitako, no anoratako inty
indrisy izay tsy tazana, nefa koa toa be mpitia
fa voafandriny tokoa, inty foko ka nirefotra
tsy afaka ny hidola, ka milamina, tsy jefitra

Ho azy, toa miafina, tsy mba hita taratra eto
eny, izy indrindra, ilay hoe tiana, mapisento
tsy tononiko anarana fa mahavaky izato foko
tsy mba azoko ho tazanina, ka mampisy ny toloko

Ho azy foana no hiraiko, isaky ny mifoha maraina
eny, ho azy, ilay mahamanina, mahatonga ny taraina
tsy misy azoko ilazana, inty fitiavako izay feno
lasa mozika mampitaba inty foko izay maneno

Ho azy, tsy misy hafa , fa dia mimenona toa gaigy
inty saiko malahelo, manembon-dava, nefa saingy
izy ilay tsy azo intsony, efa fo izay manan-tompo
ka hatomboko tsy ho ela, ilay hoe fiononam-poko .

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1156 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 04/04/2011 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146