Fitia (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vao tonga ilay ora, efa tsy andriko éry
ilay ianao ho tonga, hiaraka amiko ety
eny safidiko izany, tena tiako sy niriako
ilay fihavianao, nampisy lanja ny fisiako

eritreritra nandalo, lasa tena zava-tsoa
fanomezana tsy foy, ary tena soa tokoa
fa fitiavan-dehibe no azoko isan'andro
fifaliana lalandava na maraina na atoandro

kilalaoko, fitiavako, ireo tsy tena mahafehy
ilay filazako anao, fa tena zava- dehibe
mihoampampana fitia, tsy ho lany na oviana
isan'andro aho mankafy ary koa tena sondriana

ilay fara olon-tiako, ry ilay olon-tsy ho foiko
na ho iza no hiseho, tsy handramako ho soloiko
fa ho tiako sy lalaiko mandrapaha vita ny ety
tsy hatakaloko an'iza, ka hantsoiko hoe "fitia"

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : zanaka - Fitiavana
1541 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 21/04/2011 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142