fitia ho doria - AMN (Arialy)
Azo vakiana?
Inty tanako manoratra no hany entiko milaza
fa izay rehetra nandalo dia lazaiko tsy sahaza
fa ilay fitiavanao no hany tena lavorary
ka nolazaiko ho ahy sy hoe tolon-janahary
tsapako an-taona maro fa tao ny soa sy ny ratsy
na dia teo ny ezakao mikasa foana ny tsy ampihafy
ireo fitia izay voaraiko anefa toa efa ampy ahy izany
miampy koa ny ankizy izay mampifaly fo hatrany
tsy ho lazaiko etoana daholo ireo mamy iarahana
tsy ary ho lasa tsianjery ireo soa izay mbola ibahana
ny fiainan-tsika kely izay iriako aharitra fitia
eny tsy mba hisy fahataperana, ilay fitia izay ho doria
AMN (Arialy)
Mombamomba
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialyDaty : 07/11/2012
Mpamangy : 1814
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny vehivavy ... Tsy mbaIlazao
EZAKO
Ala-nenina
Ho ravoravo
Hifamaly ve
Hirifiriko
Reny hono
Raha...
Izy irery