Asio kaonty ihany (AMN (Arialy))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Za tsy hikaonty izay any aoriana
Ny ahy ny kilonga tsy te ho 'Ngandriana
Na ihinan'iem na ho be fahavalo
ny ahy hoa loranjy, tsy mila Ravalo

zahay be sandry manao be bokona
na rahampitso tsy misy atokona
aleoko mifidy loranjy domelina
Ravalo oa tsy tiko na asiana famerina

Ndana milahatra rehefa tsy faly
dradradradrao fa hoe leo mijaly
fa na hisy hianjera na hisy hikodia
aleoko oa mifidy an'i Bruce Lee

Zahay miasa tena tsy misy manery
mamim-bahoaka no hany mijery
ny hoavin'ny ankizy, ny resa-dahalo
hataony magie, tsy mila Ravalo

loranjy madera, loranjy milay
loko mahazo, io ihany nenay
na dia vazaha, ny anay nge tanora
sady be vola no tsy balarora

sahia eo miteny fa lasa mijoboka
reveo milay fa aza miroboka
hoe higrevy, handeha hanafay
tonga dia ahitsony mandrakizay

rehefa nanaiky hoa dia milamina
zandary, polisy, ireo miaramila
hanipazany sôsy vetika kely
dia ny vahoaka no maty voavely

lery hoa malama sy hoe tena favy
nareo na marary na koa hoe manavy
tsy ho jereny na hoavy izy hitsetra
avelany ahantra, maimbo, voretra

galona sy baoritra omeny amizao
tsy mila mahay sy be palitao
fa rehefa loranjy sy hoe avo vava
dia tafa eny foana na olona draba

oviana hoy aho ity Gasikara
oviana no mba ho tsara fiafara
isika rehetra no miara mirona
anaty farihy izay be onaona

rehefa domaina sy tena marefo
dia resiny foana, izy no sefo
vahoaka mianjera mankany ankady
lery miha mafy, no miha glady

mifohaza amizay hoa fa sao tara eo
efa tsy zaka, leo mitoreo
mila mihoitra, mila mifoha
asio kaonty ihany, asio asa loha


AMN (Arialy)
--------
Lien:
Catégorie : Tantara - Fiainana - Fitiavana - Tanindrazana
352 0
Commentaires
arialy ( 04/04/2025 18:53)
tsetsatsetsa tsy aritra kely fotsiny
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AMN (Arialy)
Inséré par : arialy
Date : 12/02/2011 11:38
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1575