You are here: home > Vetso

Fo diso - AMN (Arialy)

Azo vakiana?

Aza mba mitodika ry tsiaro ny efa lasa

aoka hadio ny saiko ho toy ny voasasa

tsy tiako ny latsa, aoka izany tsy ho avy

ilay fitia nomeny manko, nolazaiko ho vazivazy



ireo taona izay nandalo no namoha izato fo

sary, sion-dresak'olona, nihelina namoha

irony toetra sy fitia, tsy nohezahiko jerena

fa neveriko ho tsy tsotra sy hoe fitiavan-tena



aleo ny lasa hivalona any hoy ny saiko tsy nierika

ity foko nefa, toa manasazy, manameloka

toa lazainy fa diso ilay saina , tsy nihevitra

be fitsarana aoka izany, niseo ho favy sy hoe jefitra



aoka re izay ry fo izay be fandatsa

raha ny hadisoako tena be raha hoe nafatra

aoka izay hoy aho fa efa diso efa ela

aoka ny fo sy saina mba hitony sy hifamela.



AMN (Arialy)

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : AMN (Arialy)

Nampiditra : arialy
Daty : 17/04/2012
Mpamangy : 1111
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ny vehivavy ... Tsy mba
Ilazao
EZAKO
Ala-nenina
Ho ravoravo
Hifamaly ve
Hirifiriko
Reny hono
Raha...
Izy irery