Fo menatra (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialako tsiny raha malefaka ny fidobokin'ny foko
efa trotraky ny ela ilay fitia izay nokoloiko
efa izany no anjara hoy ny saiko ilay nionona
tsy hoe hisy fanafana izay handeha ho foronina

Mba andraso rahampitso raha hoe hiova izy
ka hitaba mafy indray toa hanaitra ny ankizy
toa kely ny finoako hoe ny foko hiova hetsika
hoe ilay izy menatra no handeha ho lasa tretrika

ilay fitiavako hikobona na ho eo aza i tiana
dia tsy hiatrika hafaliana fa aleony hoe mangina
satria tsy hainy akory ny filazan'ilay hoe fy
sao izy ka ho rotika raha tsy mitovy ilay fitia

aiza no ahalalana fa hirindra koa ny dia
aiza no ahafantarana fitia atomboka ho doria
fa an-dalana mizaha, ny fotoana no hilaza
fa ilay fitia hiaraka ho matotra sy tsy an-jaza

fa ny foko kely tsy te halala izay hevitrao
tsy te hanotany akory ny momba ilay fitia vao
fa hajanony amin'izao ilay fony izay babo
tsy hisedra ilay fitia, hitoetra aoriana toa rambo.

Ilay henatry ny foko aoka tsy hatao resaka
fa ho mafy aminy ny lazaina hoe mifezaka
na izany aza ny marina ny henatra aoka hiato
fa mba fo misy fitia fa tsy hoe mafy toy ny vato.

AMN arialy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1586 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 20/12/2011 11:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144