Gejam-pitia (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ianao no nofinidiny ho malalany hatrizao
ianao ilay hoe tiany ka aoka mba ho fantatrao
fa izy iny tsy nilaza izay tena tao am-pony
aza dia ampifilaina sy ampiandrasana intsony

amborahy aminy koa ilay hoe toraka fitia
fa izy efa niandry ela, sao hiova fo satria
hoe fitia tsy mitovy, heveriny ho tsy tianao
izy mantsy efa leo ny fitia an-kilabao

Aza asiana ambo-po fa hoe izy tsy mba sahy
tena fitia madio ny azy, aoka tsy hisy ahiahy
efa nibaradaka izy, fa tsy sahy nilaza taminao
ka izao no filazany : potika izy, resinao.

Efa fantatrao ny aminy, andeha izy hilazao
ambarao tsara azy fa mba babo koa ianao
ka ho lafatra ny dia, ilay fitia izay iarahana
dia ho afaka ny gejany ka hanjary fahafahana.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1316 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 04/07/2011 08:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152