Hadalana (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga indray ianao fa tia
midoka, miresaka, satria
mitady fitia vetivety
mamo manko fa nifety

tsy nahajery aho, natory
fa tsy tia sorisory
satri tantara efa nipoitra
tena sarotra, tsy tsotra.

fantatro fa ny maraina
hiova ianao ka hitaraina
fa lay omaly tsy napoizina
hamono ahy toy ny poizina

Efa voalazanao taloha
ianao, nivalo tsy hanindroa
tsy hipody hifanadala
Fa efa manana malala

Raha mitia aho dia adala
satria ny antsika tsy sahala
ny anao moa kilalao
ny ahy fitia babonao


niezaka aho mba hiarina
amin'izay tsy ho lasa lalina
ilay fambaboana tsy manjary
nefa hitoetra toy ny sary

satria ny vita tsy mivalona
fa miverina miarina
hampiteny oe tahakizay
ianao tsy nahalala ahy .


AMN (Arialy).
--------
Rohy:
1374 0
Hevitra mandeha
bigmama ( 30/03/2010 11:05)
mmmmm otran'i azokazoko izy zan r'ise
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 10/03/2010 11:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102