Hafatro (AMN (Arialy))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hiala aho anio, tadidio fa tsy iniakony handao izao rehetra, ary koa ireo tiako
fa tendry avy ao ambony ary koa tsy azo lavina
ny hoe handeha irery sy koa handao ny tiavina
Rehefa lasa aho, dia izao no hafatro, lazao
Aza asiana latsaka na kely, ny filazako izao
fa ianao no mpandray, sy mpizara ihany koa
Ka ambarao ireo izay tiako, izay resan-tsika roa
ny hany hafatra lazaiko dia ny hikirian-janako
hanamafy ireo izay azy, sy hikajy ny asa-tanàko
fa izy ireo iany anie, no sitrako hanao izany
Satria ho azy ireo koa no handaozako ny ankany
Fa ny efako, iriako, ho dimbiasiny raha tiany
na hataony fahatsiarovana, ka hafaro tsy hariany
Na dia kely monja aza, asaivo ataony tsara kajy
Eny na tsy ny rehetra, fa na sombiny, aoka ho azy
Raha tsy tiany moa izany, dia hoy aho aoka iany
izy ireo ho lehibe, hisafidy izay hombany
Fa ny adidiko efa vita, efa azy ireo ny ahy
Fa mba hafatra ireo, izy hanao no aoka ho sahy
AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fianakaviana - Aingam-panahy