Hasarotam-piaro (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nitadidy aho hoy izy , fony efa ela be
nisy ramatoa izay nahavalaky ny hehy
isaky ny mifanena dia toy ny ho very
raha azony atao dia ny mandeha miery

raha sendra mifanena anaty "magazay"
dia odiany atao ny tsy nahita ahy
avy eo lazainy fa oe aho no miavona
anefa izy mihitsy no tena sarotra tiavina

mijery ambony ambany, ka mitombana
nefa izato bikany koa tsy mba tomombana
toa marikivy ery rehefa mba mijery
aho tamin'izany moa mbola "demozely "

niharitra mafy ny fosa etsy sy eroa
ny oe tandremo fa ny vadin-dramatoa
dia mety hivadika hitily izato tanora
tsy fantany anefa fa izy no voakora

Taty aoriana aho naheno ireo filaza
tezitra satria ramatoa toa avo vava
fa tahotra ny azy, tsy matoky izato tena
ka hany ratsy saina, indrisy mahonena

ny hasarotam-piaro, tena ratsy mihitsy
raha voa izany ianao, izao dia mba ahitsy
fa sao dia simba saina, mankahala ny tanora
ry "madama", aza asarotina, eo mba raiso mora.


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana
1387 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 05/01/2011 15:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142