Hay moa... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hay moa ianao ilay lasa ka nandao
hay moa ianao ilay tsy niheno ny talaho
hay moa ianao ilay tsy nitodika nijery
hay moa ianao ilay sahy namela irery

Hay moa ianao ilay hoe nahita hafa
hay moa ianao ilay te hiova lapa
hay moa ianao ilay fo izay tsy mila
hay moa ianao ilay niseho nampifila

Hay moa ianao ilay nahita olon-tiana
hay moa ianao ilay nitady fifaliana
hay moa ianao ilay tsy mahalala ny kirizy
hay moa ianao ilay jefitra izay tsy izy

Hay moa ianao ilay nisidina ambony
hay moa ianao ilay tsy miondrika intsony
hay moa ianao ilay hoe lasa sy tafita
hay moa ianao ilay tsy nitsetra fo mikiaka.

Hay moa ianao ilay tovo soa bikana
hay moa ianao ilay hoe feno hatsarana
hay moa ianao ilay mitady ny harena
hay moa ianao ilay mafy tsy hay fefena

Hay moa ianao ilay tsy nijery ny aoriana
hay moa ianao ilay manalavim-pahoriana
hay moa ianao ilay hoe olona efa afaka
hay moa ianao ilay tsy mihevitra ho solafaka

Hay moa ianao ilay olombelona ihany
hay moa ianao ilay mbola eto an-tany
hay moa ianao ilay hoe mety hitomany
hay moa ianao ilay tsy nisaina an'izany.


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana
1263 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 10/01/2012 09:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102