You are here: home > Vetso

Ho taona soa - AMN (Arialy)

Azo vakiana?

Ho anao รด ry Ray no mba hany  fitarainana
mba miangavy re ihena ny fitaintainana
fa izao  ny taninay efa tena miharatsy
angamba efa fantatrao fa izahay lany vatsy

tsy izany ihany no ahatonnga ny talaho
fa be ny asa ratsy izay tena mifamaho
irony halatra, vaky trano, famonoana
angatahinay anie aoka mba ho fohana

izay manao ankeriny sy ireo izay tsy antra
ao koa ny manana tsy mijery ny mahantra
omeo hery vao hiovan'ilay fisainana
fa tsy izy foana no ahatonga fitarainana

mba avoty re Tompo izahay fa tena mafy
ireo izay ory mba ampio izy hitafy
fa avy aminao tokoa ny vatana sy aina
ka aminao indray no hiantefan'ny taraina

Tompo tia anay miangavy sy mitomany
avoty izahay, hatomboy androany izany
fa hiezaka izahay hamboly, hampamoa
Miankina aminao ny taona vao ho soa

AMN (Arialy)





Hevitra mandeha

hery (29/12/2011 13:30:09)

Amen,

Dia mirary taona 2012 feno fifaliana e

Mombamomba

Mpanoratra : AMN (Arialy)

Nampiditra : arialy
Daty : 28/12/2011
Mpamangy : 1073
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ny vehivavy ... Tsy mba
Ilazao
EZAKO
Ala-nenina
Ho ravoravo
Hifamaly ve
Hirifiriko
Reny hono
Raha...
Izy irery