Ho tsiniko ve ? (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsiniko ve hoy aho
nahatonga ahy ho toy izao
nakalainao sy nodikainao
satri tsy manana ny tianao

tsiniko ny tsy nanana
nolazainao fa tsy namana
sahinao ny nanaratsy
oe aho zaza lany vatsy

tadidiko daolo ireny
na tsy ianao izay niteny
no naharenesako fa tsy tia
Tsy ho tezitra aho, satria

Na dia teo ny alahelo
aho tsy hanenjika avelo
satria efa lasa enao vo hay
ny tsy fitiavanao ahy

Aleo ajanoko ny teny
satria alahelo izy ireny
ny hany ventso izay lazaiko
Soa izany fa efa haiko...

Raha maheno ianao any ...
Tadidio fa tsiaro izany
Tsy ataoko hamoizana aina
na dia oe mapitaraina .

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1350 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 09/03/2010 11:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156