Izaho indray no hoany (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy aritro ny tsy hilaza
ka hibaradaka ny vava
fa ny fandalovanao teto
dia toa lasa vongan-tsento

efa ela anefa tsy nihaona
nahiako mihitsy ny hisaona
fa ianao oe tsy hiverina
Ireo taona moa niherina

ilay fifanenana izay fohy
no namboariko ho roy
itafana sy iaraha miventso
mba hialako amin'ny sento

andro vitsy dia lasana
ka nangina toy ny fasana
ilay toerana nitafa-ntsika
zary maina nangatsiaka

hinoako any andro iray
isika mbola ho tafaray
izaho mety hoavy any
fa aza alefa ny vinany

satria mbola tsy hay izany
sao ho kivy ambony ihany
fa hiezaka aho ny ho tonga
fa tsy ataoko hoe somonga

ho lafatra ilay fotoana
hitafana tsy ho moana
hizarana izay mahafaly
ahatsiarovana ny omaly



AMN Arialy
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - fiainana
992 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 17/08/2010 08:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144