Lonilony (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olon-tia ambadika sy tia fosafosa
dia olona tsy soa sy olona kanosa
nahoana tsy ambara ahy ny tsy mazava
naleonao miafina, tsy mifanatri-tava

tsy tsara ny miafina sy ny toetran-jaza
fa aleo ny disadisa havoaka mba hisava
manjary lasa ady, tsy ho vita vetivety
satria ny soa filazanao, amiko tsy mety

nahoana no manao sotro lava taho
nahoana no mitaiza irony rahoraho
tsy te ho tezitra aho fa te hazava saina
ny fihetsikao amiko no tiako ho lazaina

aleo mifampilaza izay tsy mapandry loha
fa izany ihany no tena mahasoa
izay efa voaloton'ny resaka tsy tsara
aleo tantaraina sao manimba ny ao afara

aho manko raha tsy mahatanty intsony
dia tsy te hierika, hanalavi-donilony
dieny mbola tsy misy ny hoe tena tezitra
aleo samy milaza, mifanakalo hevitra .

Izany tsy mba sarotra fa teny hierana ihany
atao resa-dehibe fa tsy misy mivinany
ho taperin-tsika ilay tantara ratsy teo
ho fo mazava sy madio no aoka mba haseho

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
1261 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 06/10/2011 17:35)
Ny olona kanosa no mpanao izany Arialy a!

Tiko ny vetsonao. Misaotra
arialy ( 07/10/2011 07:37)
iƩ kanosa be, misaotra mitia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 06/10/2011 08:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147