Maka aina aloha (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Makamaka aina aloha fa tsy hay izay miandry
tena mila maka hery sao ho torovana ny sandry
raha ny tiana ho vita mantsy toa tsy ary voatanisa
satria ny herim-batana indraindray toa mila-kisa

makamaka aina aloha sao ho torovana ny aina
aleo milamina mihitsy fa ilaina koa ny saina
raha irony zava-misy izay miseho ankehitrio
dia mila mailaka aho, mafy tonto toa tadio

makamaka aina aloha fa toa ho votsotra ny haza
sa andeha ho lazaiko hoe raha lasa tsy sahaza
raha an-tanana no lasa toa ho resy ihany anefa
ka ho lasa an'ny olona sy ho lavitra fiantefa

makamaka aina aloha fa tsy ho mora ny hiady
sao dia ho lasa aloha loatra ka hivarina an-kady
aleo ho tony kely ihany fa toa hitady hoe hirifatra
ka raha sendra tsy mitandrina dia lasa mibolisatra

makamaka aina aloha fa ny eto toa ho mafy
dia hafatotro ny saiko mba ho mafy toy ny tady
ka tsy ho mora ho vahana fa ataoko fato-maty
dia havaloko anio ny teby sy ilay hirifiry anaty

AMN Arialy
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1334 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 29/03/2013 13:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102