Maso (yeux revolver ^_^) (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha ilay masoko mitsiky no lazainy fa hoe babo
no nandefasany ilay hafatra, tsy nasiany hambo
dia diso ilay fijeriny fa ny saiko any an-kafa
satria arahaba no nasetriko ilay fijeriny hafahafa

raha ilay masokeliko io no lazainy fa hoe tsara
dia ho tsoriko azy koa fa na soa aza tsy anjara
fa efa maso misy tompo na lazainy fa ho azo
ka izy no handroretra toy ny mpihira lany vazo

raha ny masony nijery no nambarako fa faly
nefa diso ilay nisainako hay maso voton-jaly
dia hifonako anio izany, raha topi-maso diso
sao handainga aminy eo, hanjary fitia risoriso

raha hakipiko ny masoko, tsy ahita izay hijery
ka ahodiko ny lohako, fananiako ny hiery
tsy hoe avona akory na tsy fitiavana ny hafa
filaminana no tiako, satria ny masoko handratra

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1339 0
Hevitra mandeha
dano ( 27/04/2013 15:36)
tsara b le izy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 21/03/2013 10:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145