You are here: home > Vetso

Moa ve ? - AMN (Arialy)

Azo vakiana?

Raha toa ka osaosa sy tena farofy
dia tsy afaka mihitsy ny hanonofy
fiainana soa sy ny atao oe paradisa
fa foana kosa milomano anaty disadisa?
Moa ve mba misy ny hoe  anjely
ka hanampy azy izay  manirery ?

Raha toa ka lasa mborona
tsy mahavita, tsy mahaforona
izay tokony hatao isan'andro
toa moana, irery mitazana ny andro
Moa ve mba hisy hery hafahafa
hapatanjaka azy sy iarahany mitafa

Raha toa ka tsy mba mahatsiaro
ka mitokatokana  fa tsy tia miharo
be rehareha sy hoe mahavita tena
ny azy foana fa ny hafa tsy jerena
Moa ve mba misy fanahy ho avy hijery
hanova azy, ahatonga azy tsy hiery

Raha toa ka tsy mino ny tsy toha
be ditraditra sy manao kitoatoa
mimamo, mifoka, manao ny tsy mety
ka mivarina, manimba tena vetivety
Moa ve mba hisy olona hiteny azy
ho hentitra tokoa fa tsy hamazivazy

Raha toa ka misy manantena
ka ho tafavoaka izay novonjena
tsy misy intsony jaly sy taitaina
ho sambatra, tsy misy ny taraina
Moa ve izany mety mba ho tanteraka
ho foana ny teny hoe: resy sy ny reraka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : AMN (Arialy)

Nampiditra : arialy
Daty : 05/06/2010
Mpamangy : 810
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ilazao
EZAKO
Ala-nenina
Ho ravoravo
Hifamaly ve
Hirifiriko
Reny hono
Raha...
Izy irery
Ilay fitiavan-tsika