Mody hoe... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mody hoe mandokadoka
nefa anaty toa lamoka
mitady olona malemy
hampiasaina ny oe hery

mody hoe manambitamby
ny an-doha nefa vandy
mikasa ny hametsy eo
domelina sy tia toreo

mody hoe tsara toetra
anefa olona voretra
maloto sy ratsy saina
tia mizaha ferin'aina

mody hoe mahatanty resy6
dia milaza hoe aoka lesy
nefa ambadika kobay
indray andro mbola ho fay

mody tsy mahazo resaka
ka milaza fa oe reraka
nefa kajy be an-doha
sy be marika tokoa

Tandremo ireo hoe « mody »
sao efa ritra vao tafody
fa ry zalahy be filamatra
ka lasa olona tsy fantatra

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1006 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 04/09/2010 14:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102