N y taniko (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy hasiaka aho fa hilaza
izay mba hany voabada
fa ny taniko voazimba
ka lazaiko fa hoe simba

tsy hoe hilaza fiantsiana
na dia marary fo sy liana
hoe iza no niandraikitra
itsy vono olona sy kaikitra

tena toro ny fo sy saina
tsy misy hery hitaraina
fa dia tody no antsoina
hoan'ireo nanao ny voina

ny maraina ve ho avy?
na dia vizana ny sandry
miasa sy mikaon-doha
hoe mitady ny ahasoa

izay kely voatontosa
simbain'ireo izay kanosa
saina tsy miasa ny azy ireo
satria ny efany mapitoreo

aiza iany ny fahagagana
ny handao ny fahantrana
aritra no atao betsaka
lanjaina fona ny mavesatra

Tompo ô ankininay aminao
inty fijaliana, mba hiantrao
ny herinao irery sisa izao
ka esory Ray ô, mba afaho.
--------
Rohy:
1279 1
Mpakafy: arialy
Hevitra mandeha
mirananirina ( 12/11/2010 15:11)
misaotra,tena tsara
mimi12 ( 13/11/2010 18:30)
amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 07/11/2010 14:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151