Namana (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsory amiko anio
fa orana sy ny tadio
no injao fa nifamaho
ka nampitomany anao

Lazao amiko daolo
izay rehetra oe nikoro
aza misy afenina ahy
na dia mahavizana fanahy

tiako ianao mba hizara
sy hilaza ny tantara
izay naharesy anao
fa tsy hionona amin'izao

ambarao izay tsy mety
fa izaho tsy mpanety
ka ahita loha sola
ka hanenjika ny tola


ny resy manko tsy fanenjika
satria misy ny endrikendrika
izay mandiso tsy amin'iny izy
mahatonga anao ho kivy

ka lazao fa sao tsy marina
tena ilaiko ho fantarina
fa tsy tiko ianao hianjera
ho resin'ny losifera

mapahery aho ka henoy
fa raha diso dia disoy
satria aho tsy lavorary
fa mba mitsabo ny marary.

Ataovy ao antsainao
fa namana tokoa aho
mitia anao sy mankahery
fa tsy tiako ianao ho very.



AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1842 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 16/06/2010 14:15)
Raha tsy ambaranao ahy izay namanao tokoa moa ny momba anao , ahoana ny hahafahako hampahery anao amin'ny fotoana ilànao izany. Amiko, izay no tena namana!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 11/03/2010 17:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2039