Nofin'ny kamboty (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo lehibe ilay fandaozanao ahy
latsaka ny ranomaso, nalahelo ny fanahy
na dia nisy feo henoko tao anaty nofy soa
fa ianao hoe ho eo, tena akaikiko tokoa

tsy mba nino aho, ilay feo nanakoako
nikorotana ny saiko, fa ianao hono manko
raha miverina dia tsy ho olona akory
satria efa maty, tsy hiverina intsony

ny nofiko tsy miato fa ianao eo foana
matetika miresaka sy mitsiky eo anoloana
zary nofy izay manaitra ary tafa tena misy
sarotra ho tantaraina, tsy hisy hino anie indrisy

ny sarinao koa no hitafako tato aoriana
eo aho no mitanisa ireo nofy ka variana
satria ny olona tsy mino fa ianao eo hiany
hoy izy ireo tamiko aza alefa ny vinany

Avelo ve sa fanahy no mitanina ahy hoy aho
mampidoboka ny foko toy ny orana mitraho
aleo feo sy asa vita no ho hoe vavolombelona
satria ianao hampitahotra raha ho itako miverina

isaorako anao tokoa ireo atao hoe fanampiana
izay tena nahasoa ahy ary nampisy fifaliana
aza ilaozanao aho fa mbola mila izany anie
tsy ho tantaraiko intsony fa hataoko tsy ho re

Miverena hoy aho ilazao ny vaovao
efa ela no tsy heno, ka aleoko mitalaho
sa ianao eo ihany fa tsy te iresaka amiko
nefa ny tafa aminao no nofy tena mamiko

raha mitaraina anie, tena mila ilay fisiana
ilay resaka aminao izay tena mahaliana
mampitombo hery ahy amin'ny fiainana eto
mampisinda ny alahelo, manala koa ireo sento.

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Fahafatesana
2397 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 04/07/2011 08:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154