Ny fiainako (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainako iarahana mizotra aminao
fiainana finaritra sy tiako tsotra izao
fiainana tsy mora, nefa tsy sarotra akory
fiainana tsy hay lazaina, tsy misy sorisory

Ny fiainako iarahana miaraka aminao
dia ilay lazaiko fa hasambarako amin'izao
tsy haiko tononina, sarotra ho fintinina
fiainana izay mafana, lavitry ny ririnina

Ny fiainako izay mbola ho eo anilanao
dia sahiko lazaina fa ho lavitra talaho
satria fitia marina no ho eo sy hanjaka
fiainana milamina sy soa no ahazo laka

Ny fiainako rehefa tsy ho eo intsony ianao
dia tsy hisy ny fitia , ka ho be rahoraho
nefa izany no tsy maitsy lalana ho diavina
tsy hiaraka intsony,indrisy tsy eo ny tiavina.

AMN (arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 29/11/2010 14:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014