Fitia afina tantara (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aty antany lavitra aho no mahatsiaro
ilay fitia fahazaza, ilay tsy nifangaro
tsy nahalala oe hatraiza ny halalina
ka tsy nieritreritra sy koa nandalina
ankehitriny samy efa lehibe ka matotra
mahalala ireny ho tantara hoe mamatotra


Teo amorontsiraka aho no nanao kisary
ny nataontsika fahiny, ilay nividy fary
nandehandeha nanary dia, tsy lany resaka
nandany andro tontolo , tsy nahalala reraka
zara aza ho maraina ny andro hitafana indray
hifankahitana, hifanenana, fa soa ny tafaray


Ankehitriny tantara ireny ka mamisavisa
tsy nisy koa moa nahalala ny fitiavantsika
ny manodidina antsika tsy misy nomba manko
ka hany aho, nanampakevitra ny hampiato
fantatro fa tsy mora taminao ny nanaiky izany
nefa hoy aho tsy misy hirika, aleo hilamina any


ny faniriako amin'izao, ny alahelo aoka tsy hisy
fantatro mantsy fa tsy nisy resaka mihitsy
satria iaraha mahalala fa ny antsika tsy anjara
ka izay no hilazako anio sy hamborahako ny tantara
any andro, hifanena isika, iriako tsy hisy ny avona
hiresaka, hinamana, satria samy manana tiavina


AMN Arialy
--------
Rohy:
1157 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 05/08/2010 19:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141