Ny fiverenanao .... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mila anao tokoa aho
tena fitia tsy lalao
ka mba araho jery kely
fa aza odianao miery

Fantatro fa herisetra
no nahatonga anao hitoetra
any ambadiky ny havoana
Mba tsy ahita ahy foana

setrasetra ny tontolo
fitadiavana no solo
lay fitiavanao mafana
zary hatsiaka nigagana

haiko ianao fa mitia
ka avia mba modia
fa miandry foana aho
ka hany velona talaho

Tsiky no nasetrinao
ilay fijeriko anao
tsy misy valiny anefa
lay hataka niantefa

Aleo ny asa aloha izany
fa izany ny eto an-tany
inoako fa tsy ho ela intsony
angatahiko ny ao ambony.



AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fitiavana
1206 0
Hevitra mandeha
IMR ( 11/03/2010 01:03)
Voalohany no nankanesako teto ary mankafy tanteraka ireto tononkalona aho ry AMN ! misaotra.
arialy ( 11/03/2010 10:26)
IMR< misaotra anao mankasitra é
bigmama ( 30/03/2010 10:33)
mlay kosa izy zan r'ise kely a
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 10/03/2010 12:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261