Ny lalao fitia... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao nilaza taminy, hoe fitia tsy lalao
izy izay nandray , tsy nanao ankilabao
fa nitia madio, tsotra tsy misy fangaro
fitia izay marina, tena vonona hiharo

Tao an-dohanao anefa dia sarisary ihany
fa tsy hoe tena tia , izay hanorina ankany
efa izay no filaza, efa izay no tarigetra
hilalao ireo tovovavy izay hoe mitaredretra

Ny hoe tovovavy anefa, rehefa tia dia taraiky
ka araraoty hoy ianao izay tratra sy manaiky
ny fiainana mandalo, ny fitia no fialam-boly
nolalovinao daholo, na ny tso-bolo na ny oly

faly ery fa nahavoa, vendrana sy doma ireny
trai-kefa, kilalao, miangoty raha miteny
nianarana daholo, mba ahazo ny harato
tsy nisaina anefa hoe oviana izany no ahato

Nisy andro iray anefa, tojo olona, toa anjely
tsy tao an-doha intsony, ilay saina hoe hamely
fa tena babo, eny tara, niova fihetsika, fiteny
ary tena nanantena mihitsy ny hoe ahazo "eny".

indrisy anefa ilay tiana efa manana mpitia
ary koa tsy hoe lalao fa tena andeha hiara-dia
diso hevitra ianao, zatra fitia mora alaina
hé toa anjaranao izao no misento, mitaraina

ny fitia anie toy ny zavatra rehetra atao
raha ratsy, mahavoa; ny soa, hivaly aminao
raha faly ianao anio, nampisento fa nandresy
ny aorian'io kosa ,mety ho alahelo mifanesy ...

AMN(arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 22/11/2010 19:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152