ô ry foko (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ô ry foko izay torovana aza dia asiana triatra
izy no lasa ka ianao no hitomany isa-minitra
aleo ho any ny tsy tia, aleo izy tsy ho heno
fa sao ataony ho kilalao inty fitia mbola feno

ô ry foko aza manahy, izay hoe fisarahana
aoka moa izay ny sento, mba asio fifanarahana
aleo iny hilamina any, fa tsy misy ilana azy
raha ny tena tiako anie, dia hanome ny sazy


fa ilay foko tsy milefitra ka mitady azy foana
ka mamoron-dia mihitsy fa tena te hiaona
izy anefa raha ho hita dia hitsaoka sy hiafona
na koa hitady fefy avo ka tsy hita sy ho takona

miangavy anao ry foko, aoka hadio ny ao anaty
raha izao no mitohy tsy ho ela aho dia ho faty
fa ianao tsy mahay mandanja ny mety sy ny tsia
aoka hivalona ny lasa, fa aza asiana siasia

Raha hitroatra foana ianao, ho aiza moa ny saiko
fa koa tsy hitomany sy hitady ilay lalaiko
nefa izy iny efa dila, efa nilaza fa tsy mila
ka naleoko manavao, toy izay ho may sy ho kila

Ny fitia anie toy ny afo tena mandoro sy mamono
fa tsy zaza ho beazina ka hovokisana ronono
miangavy re ry foko, aleo isika hitady lalana
ny tantara aleo hivalona, tsy asiana fandaharana.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1390 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 05/04/2011 16:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103