Ô ry zanako (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô ry zanako izay tiako
lazaiko anao fa tsy iniako
ny ho lefy ndraindray
sy ho reraka fanahy

Fa ianao iriako ho mafy
sy tsy mba ho lany vatsy
Fa hatanjaka , hahery
ary ho soa tsy ho very

i Neny manko mora osa
na dia tsy olona kanosa
fa mitady fona ny ahasoa
sy aha lafatra tokoa

Averiko aminao indray
tiako ianao ra mba sahy
hiatrika ireo oe sedra
tsy ho be rendrarendra

Neny tsy ho lavitra eo
hanampy anao ra mitoreo
ary tso-drano no ameko
ianao mba ho lavin-tseto


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1314 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 05/09/2010 11:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144