Oviana moa? (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oviana moa no mety hisava
Izato gidragidra izay heno lalandava
Hiainanay isan'andro mampijaly ny ety
Ka mahatonga ny fialan'ny fitia
Ho tsy hisy intsony,ny adiady, firafiana
Ka hanolo azy indray ilay firaisan-kina

Oviana moa no tsy hisy intsony
Izato adiady, avona ary koa lonilony
Mampifandrafy ireo mpihavana
Ho toy ny ala maty fa tsy mavana
Raha mba azonay ho fohanana
Izay tena mandrava fihavanana

Oviana moa no mba tsy hisy
Ireny aretina rehetra izay mampisy
Hirifiry ary koa ny fahafatesana
Izay tsy azo rafetina sy tsy azo refesina
Raha ny tianay ho azo sy tanteraka
Tsy misy fisarahana, tsy harary ny ho teraka

Oviana koa no hisava ny loza maro
Ka tsy hampisaraka ireo izay miharo
Hilamina amin'izay ny fiainana ety
Tsy hisy intsony ny adiady, fa dia hifankatia
Raha ny tena sitrakay dia hilamina ny tany
Ka ho faly sy ho ravo fa ho foana ny tomany


AMN(Arialy)
--------
Rohy:
1309 0
Hevitra mandeha
arialy ( 29/05/2010 12:46)
amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 22/05/2010 14:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869