Ravola (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy no hoe tadiavina sy hiadivana hatrany
tsy hay hoe oviana no hifaran'izany
fa anaty ny fiainana no filana tsy hay lazaina
ka hoe tena sarobidy, ka katsaina fa ilaina

izy foana no an-doha isan'andro vaky izao
eny izy no ambony ka tsy azo atao ho kilalao
ka tandremana aok'izany, fa tena mahavery
raha sendra ka tsy manana dia miafina, miery

mahamenatra tokoa raha hoe sendra ka tsy misy
hany izay ka milaza dia lazaina ho mankivisy
fa hoe izany tsy filaza fa tsy maitsy atao hoe mody
ka lazaina fa alehany na dia tsy misy fa atody

ilaina foana, ilaina hono fa tsy homana raha tsia
izany hoe izy tsy an-tanana moa atao ho sanatria
iriana sy tadiavana satria raha tsy misy mahatola
tsy iza moa izany fa ilay hoe lafatra : Ravola .

AMN(Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1002 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 04/07/2011 08:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142