Safidy (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza tairinao ny foko , ry fitia izay fahiny
fa efa tsy aleha intsony iny zotra iray iny
efa feno ny diary, feno hoy aho ny takila
raha mbola asiana hafa lasa toa mihilahila

Aza antsoina intsony, inty saiko efa dify
efa niova loko anie, efa nahita ny tandrify
tsy te hiverin-dalana, hitanisa, hamisavisa
fa aleo hilamina aho, tohizo ho anao ny sisa

Aza atao koa hoe avona sy tsy fitiavana
ezaka no aoka hatao , aleo hasiana finiavana
aleo mandroso amin'izay, tsy hasiana lonilony
fa andrao koa isika, ka handratra izato fony

Ilay tiako anie, miandry foana ny hafanaina
ny ahasoa azy mihitsy, no tiako andrandraina
fa ny saina hoe hitodika, efa vitako bakoina
ka aleo hadio ny foko, miangavy, tsy lotoina.

Aleo ilamina ny lasa, aleo ijanona amin'izao
ilay olontiako manko, dia efa fantatrao
ka ianao no aoka hitandrina, sao izy mahalala
fa aho efa nisafidy, hijanona aminy, tsy hiala .

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1694 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 05/10/2011 10:48)
Mahafinaritra! Raha efa manan'olon-tiana no mitodika any aoriana, dia mamboly fahoriana..
Tsy voatery anjara foana fa safidy koa indraindray..Mahereza enao!
arialy ( 07/10/2011 07:37)
marina io hoe mamboly fahoriana ny mitodika aorina raha efa manan'olon-tiana !! misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 12/02/2011 14:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154