Saraka (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa izany tato ho ato, ady lava, teny foana
odiako tsy henoina, mangina aho toa moana
tsy aritro indraindray ka iny te hamaly mafy
itsy zaza toa mijery, ka naleoko indray mihafy

tsy misy inona akory dia tebaka no heno
raha toa azo raofina dia efa kitapo be no feno
fa tsy mitsahatra miteny efa mankaleo anie
noho'ny amin'ilay zaza dia odiako tsy mandre

Hanotany aho, vaka, inona no tiany hiavina
sa ny fitia efa lany, mitady hevitra hanariana ?
Raha izany no miseho, tokony ianao nitsotra
fa tsy isan'andro izao aho no ilanao sotasota

raha fitia no tsy misy, aoka hilamina isika
fa tsy tiako ny ankizy hiaina amin' ny disadisa
fa hilazana azy kosa izay zavatra mitranga
sy hoe tia azy isika, aoka tsy hisy hiapanga

ho sarotra aminy manko ny hanaiky fisarahana
fa hiresaka isika, tsy hiady, hifanarahana
aoka ianao ho tony, tsy hampiseho fakahalana
tokony tsy ho sarotra ny olana izay ho vahana

raha manontany ny ankizy, iza no hitaiza azy
aoka ianao tsy ho tezitra na koa hamazivazy
fa lazao ny ao am-po, tsy ho vitanao izany
ka amboaro ny sainao, fa izy mety hitomany

aoka isika hilaza aminy fa i neny no hitaiza
sy hanambara azy koa fa ianao tsy ho aiza
fa haka azy irony andro tsy hianarana irony
hinoako izy fa ho tony ka tsy hitomany akory

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
1473 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 22/09/2011 11:06)
avelao izy handeha any e!
Zozoro ( 23/09/2011 16:29)
Marina ny an'i kiriah.
Manaova tanala very sampy e!
Tefigasy ( 29/09/2011 11:20)
rah mbola misy ny azo atao,
rah mbola mety "tia" ianao,
aza faingana handavo
ilay fitia nasandratr'avo

...
Raha mbola azo karakaraina ilay voninkazo, raha mbola misy rano azo hanondrahana azy, raha mbola misy zezika azo atolotra azy mba tsy ho maina dia aleo aloha miezaka foana e ! sa ve diso aho !
arialy ( 11/10/2011 08:32)
kiriah< hamela tokoa moa, handamina saina.
Zozoro< manova no mety tena marina iny
Tefigasy< indrisy mantsy ilay fitia efa lasa gidragidra, tsy misy izay tavela ka tokony hafindra, ny ankizy anefa no ilana vahaolana, fa raha ny an'i lehibe efa vita, efa fongana...
tsy diso ianao fa misy ny efa tsy azo raisina intsony fa efa niparitaka
Vahabahinala ( 31/03/2012 20:19)
Sahala @ fonja ny tokantrano ritra fitia. Azo atao anefa ny mitady fahafahana arahana fepetra mandra-pahafaka tanteraka.Tsy ho zaka ny higagra mandrapahafaty ao anaty fihatsarambelatsihy.Sahia manao TSIA.Ampy kosa izay!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 22/09/2011 09:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145