Soavadia... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tonga ity ilay ora izay hifandaozana aminao
dia aoka ianao tsy hitsetra fa fiainana izao
Efa fantatra mialoha fa ny eto dia mandalo
ka esory ny toloko, aza atao koa ny mimalo

ianao raha handeha tsy hoe hanadino akory
ka aza asiana alahelo na koa hoe sorisory
Fa isika mbola hihaona na ho ela koa ny dia
izao no hafatro aminao, tazomy mafy ilay fitia

Efa voalaza foana fa isika anie tsy hitoetra
mety ho ela na ho aingana hanadino ny rehetra
ny rehetra izay lazaiko dia ny zavatra izay misy
ireny anefa na dia tsara, dia ilaozana indrisy

Fa na aiza tany misy, na zovy koa no tiana
tsarovy fa ny alahelo dia natao ho difiana
ka raha hiainga na marofy na matanjaka tokoa
efa didin-janahary ireo ka irariana itondra soa

ny eto antany mantsy dia tsy maitsy oe mandroso
na dia izany aza anefa aza dia misosososo
fa hamarino ilay dia, rehefa izay no ilaina
ka diniho ny aleha, ampiasao aloha ny saina

Ny mandeha izay lazaina dia ny mitady soa
ka ny tena tsara indrindra dia ny miara-droa
ny iraitam-po fandao, ireo ray sy reny koa
ka zory re ny lalànao raha izay no mahasoa

Efa izay moa ny didy, samy manana ny lalàny
samy efa nisafidy izay oe mba ho anjarany
ka na tiako aza izany ny hiaraka eny foana
efa izay ilay fiainana miady ny tsy ho noana

Andeha zory izany dia ry ilay namana tsy foy
izay no mahasoa, ny fitia no aoka ho rohy
izay itondra ny fiainan'ny tsirairay any hoany
tsofiko rano re ny dia mba ho lavitra tomany .


Arialy AMN
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fisarahana - fiainana
1607 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 22/09/2010 07:48)
Lol !!! otran ny hoe mamaly ilay tononkalo " taratasy ho an i malala " ity tononkalo ity, merci fa nampionona lay izy.
arialy ( 22/09/2010 11:22)
iény mitovitovy ilay hevitra , fa ity tsy olontiana fa namana akaiky no handeha hanara-bady sy hitady any antany lavitra hihihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 21/09/2010 11:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142