Ray ô ampio i Gasikara (AMN (Arialy))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ô ry Ray ô mijere, atrakao izahay, hifohafa aza ataonao variana, miady toerana ho filoha
ny italahoanay aminao anie izato fahoriana
ny olona analinkisa, kivy, lany fasahiana
tsy te hiady firy intsony, indrisy mantsy fa voahidy
anaty raho-mitatao, fahantrana tsy finidy
ô ry Ray amin'izao androm-pahatsiarovana
mba tazano ny zanakao fa tena efa torovana
tsy afaka milaza akory izay mba tena ao am-po
ka dia mitalaho tokoa, ampio re ry Tompo so(a)
raha mihoitra manko dia mety voan-tsetrasetra
hany lany hery satria tsy misy akory ny mitsetra
ampionao ireto zanakao izay tena manantena
miandry ny fiahianao, miandry foana famonjena
eny, atao oe fety, fahatsiarovana ny andro
nefa tsy afaka hifaly na ny maraina na ny atoandro
fa dia mitazana, mijery amin'ny maso feno rano
toa mitsiriritra ireny, tanàna soa sy feno trano .
Ray ô, mitalaho izahay, fa mafy sy tena mangidy
mba afaka mahazo ve, izahay raha toa ka mifidy?
Setrasetra, gidragidran' ny fiainana, mba esory
mba tantanonao ny dia, ny olonao mba tsy ho ory
izay no vavaka atao, hampitony ka miandrandra
hatsikio ny masonay fa aza avela hivandravandra.
Fa itokianay ianao, hamonjy zanaka sy fara
ankininay aminao, izahay mba tsy ho very anjara
Ray ô, raha sitrakao, mivoaha, mba mijoroa
mba ho hitanay ety ianao, eny, tena tonga soa
hitantana anay, hitondra anay ho amin'ny tsara
ka ho tany sambatra é! ilay atao oe Gasikara.
AMN (Arialy) 29martsa 2010
--------
Rohy: