trai-kefa mampijaly (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsofy rano aho fa handeha
fa aza atao oe rehareha
raha toa tsy tamana
ka mitady fiaingana

fantaro ianao fa tsy diso
na hoe fitia risoriso
fa izaho raha hiala
sanatria tsy mankahala

fotoan-tsarotra izao
ka ilazako aminao
fa tsy mora velively
ny hamela anao irery

matokia, aza resy
izaho koa tsy mpandresy
fa mbola misy ny anjara
sy hiantso anao « malala ».

hisonenika hifaly
tsy misy intsony ireo jaly
refa tonga ny olontiana
hifapizara hamamiana.

Ny fitia izay nampijaly
hampihome anao izay faly
ho tsaroina fa trai-kefa!
Mety ho hadinoinao anefa

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
1193 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 08/03/2010 19:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1206