Trosa (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny maraina vao mifoha
dia toaka no andoha
maka takila kely eny
fa tsy maitsy mila ireny

tsy mahandry mihitsy
tsy mahalala ny tsy misy
sady tsy mahay onona
ka mitady sy mamorona

vazomboana sy ny dozy
no natao mba hoe kôzy
hitadiavana ny marina
nefa lavo tsy tafarina

misy koa ny tsy eo iany
fa dia misy hiafarany
ny mandeha manao loka
na koe mandeha mifoka

ny antanana tsy ampy
ka dia votery mapihafy
ny vady sy ny ankizy
de mahalala ny oe krizy

betsaka ny toy izany
ny trosa moa dia eo iany
misy koa ny manitatra
fa ny sipa no oe sitraka

dia mitombo ilay trosa
mihamaro miavosa
tsy hay intsony ny fotoana
andoavana azy ho foana



AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1029 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 04/09/2010 14:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114