Tsiaro anao (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsaroako ny tsingeri-taona
alahelo, andron-tsaona
fa lasa tampoka ilay Ray
ka nampiferin'aina ahy

latsaka ny ranomaso
fa tena tonga ny ankaso
izay nahatonga anao nandeha
tsy nilaza, nampandre

andro alarobia tokoa
vao maraina vao nifoha
tsy mbola nisakafo akory
dia efa tojo sorisory

fa hamehy ny enta-kely
hanao veloma anao, hijery
ny sisa azoko lazaina
dia ny mandamina ny saina

ny alaheloko nahita
toy ny setra analin-kisa
saika lavo aho fa niankina
tsy naha-teny, tena tankina.

Ny zoma kosa indray
ilay andro mampiray:
fianakaviana, namanao
ho fananterana anao.

vao nihidy ny vavahady
dia efa tsapako sahady
ho gina foana aho rahatrizay
zovy no hampifaly ahy

Maro ireo fahatsiarovana
tsy voatanisa mahatorovana
na lehibe aza ny tena
ankehitriny, mahonena

tsaroako foana ny endrikao
mitoetra ao anatiko ao
lasa fery toa mandavaka
ka hany heriko mivavaka .

AMN (Arialy);
--------
Rohy:
1798 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 21/03/2010 14:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155