Tsy handry (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nikorontana ny foko, naheno ilay vaovao
fa niova fo, nanao fiainana ianao
nakipiko ny masoko, nikoriana ranomaso
toy ny mahita irony loza, eny tojo ny ankaso

Nikiaka, niantso mafy ny anaranao
saika hanao hadalana, irony tsy fanao
fa ny sento tokana iny, mavesatra sy mafy
tonga saina tampoka, aoka soa no hafafy

nifampilaza isika, hifampiandry eny ihany
mety izay mihitsy no nahatonga ahy itomany
fa ianao tsy nino, hoe aho mbola tia
ka nohadinoinao ilay teniko ho doria

hiova saina aho, hanadino ireo dina
ka olon-kafa indray no lazaiko hoe tiana
tsy hiasa saina amin'ny olona nandao
fa handeha hibanjina ilay fiainana vaovao

Fa tsy andrinao ny fotoana hiverenako
mafy tamiko izany nefa koa tsy hanenenako
fa fitia tsy mahasoa raha izany no niseho
aleo miova lasy indray, hanalavitra toreo

mamela heloka aho, tsy hiantso tody koa
ny fiainanao koa iriako mba ho tena soa
tsy hisy hamingana fa hizotra tsara foana
ny ahy koa handroso rehefa tonga ny fotoana

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
1325 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 20/10/2011 07:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153