Vavaka (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsoriko aminao ry Tompo
fa izaho izay mpanompo
dia tsy mba olon-davorary
Ka voan-tseto sy marary

Hiezaka aho ny ho soa
nefa tsy mendrika avokoa
ny rehetra manodidina
ka mahatonga ny oe sidina

makany amin'ny ratsy
indrindra refa lany vatsy
lasa misy saina fetsy
satria moa manaiky resy

resy ny haratsiana izany
izany manko no ento antany
tsy misy zavatra oe mora
satria ra lavo dia voakora

Tompo, lazaiko aminao izao
fa raha ilay fitiavanao
no midina ety na vetivety
dia maro ny zavatra hety

satria izany no tsy ampy
miampy izany koa ny sampy
ny fahatongavanao mihitsy
no iangavianay, indrisy

AMN Arialy
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1232 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 17/08/2010 11:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148