Zoky... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
anio? tandidona no manoloana ahy
te ihiaka, hivazavaza, nefa toa tsy sahy
fahatsiarovana no tonga toa mibahana
nasiako sioka, amin'izay mba tsy ahazo vahana

mitadidy ny fahazaza, ilay isika nilalao
adiady, torak'hehy, sangisangy izay fanao
indraindray bedy fa tsy mety tonga saina
misy manko teny ratsy mihitsy no niraina

ianao, ilay tsy nandao ahy, fony aho narary
bedy isika, nefa efa nifanaiky, tsy hifanary
na inona mitranga, na aiza na aiza misy ahy
ny vatako no banga fa akaiky ny fanahy

nisy koa adiady izay nifanaovan-tsika.
nifamaly, izay mafy mamanala toy ny hatsiaka
anefa ireny adinoina mora, fa fitia no tonga eo
avy eo isika miara-mihaino ilay vata misy feo

marina fa misy iany ny tsy mampitovy
fa isika mahay miova feo toy ny railovy
ny vazavaza, tabataba, lasa malefaka iany
dia toy izany foana ny adin-tsika ny hafarany

ankehitriny samy lehibe, manana adidy
nefa rehefa tafaresaka dia toy ny ankizy
mitantara ny fiainana, ny alahelo sy ny soa
ireo no tena mampifankatia mafy antsika roa


Zokiko malala, tsy hafoiko na hoviana
eny, na misy fiovana eo amintsika, hiviliana
lalàna mahitsy foana no iaraha miriaria
dia lay zotra niarahana hatrizay: “ilay fitia.”

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
1895 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 30/03/2010 11:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102