Zory izato dia... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arosoy izany dia ry sakaiza, aza kivy
efa vonona izao, mirosoa izato izy
aza asiana jeri-todika ny lasa, avelao
na tsy mora aza, ilay atao oe mifandao .

Andeha fafao ny ranomaso, mahereza
manamafy saina, fa ny lalana mideza
aza sainina ny sento, izay mibahana anio
mitrakà, mijoroa, ny soa ho azo tadidio.

Tsarovy iany koa ny hafatry ny lehibe
ireo izay efa niatrika ny tena mafy be
Fa ny anao, efa lalana aleha ka dia zory
hinoako mafy fa tsy mba ho azon-tsorisory

Ianao manko, olona izay tena mafy loha
eny, na dia trotraka aza , hiezaka tokoa
izay no efa hitako , izay zavatra nitranga
tsy ho reraka ianao, fa hifoha sy hiranga

tsy ho be resaka aho, fa mirary soa tokoa
aza adino ny miantso an'ilay hoe Tsy Toha
Izy koa hanampy anao amin'ny izay hoe mafy
Enga anie hamoha be ireo izay voa ho voafafy .


AMN(Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - fiainana
1076 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 22/11/2010 18:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01