You are here: home > Vetso

Hangina aho ! - anarim

Nikimpy kely iray minitra
Ireto masoko mipitra
Izato foko toa tsy mino
Ny saiko koa tsy manadino

Dia injao fa tadidy
Ilay ora izay nangidy
Nilazanao fa tsy ho tafita
Ny lakantsika niampita.

Dia verivery teo ny jeriko
Toa tsy hikombona ity feriko
Reko any anatiko any
Feon-toloko sy tomany

Nefa afaka hankaiza ?
Hangina aho fa efa resy

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

fiaritiana (01/06/2006 20:41:45)

Hankaiza intsony ve aho hoy Rebika? mampalahelo tokoa raha io manjo anao io! mangiana ianao zao fa any andro iray hiteny ka hilaza fa tafita noho ilay RAY
Mahereza

ANARIM (07/06/2006 08:07:45)

Fiaritiana : Misaotra betsaka!tsy manary toky aho !

Poun (02/07/2007 11:54:25)

Tsara ka!fa izao no fampaherezana avy aty amiko "tsy resy akory ny olo-mangina".mahereza hatrany @ asa soratra

ANARIM (02/07/2007 12:04:28)

poun : misaotra anao!

endrika01 (02/07/2009 05:15:49)

Tiko be lay Vetso!

ANARIM (30/07/2009 06:47:34)

feno fitaka ny fiainana e!