You are here: home > Vetso

Mirana ! - anarim

Mirana !

Sombin’ny aiko
Tiako sy lalaiko
Ikelezako aina
Ifohazako maraina
Iaretako hirifiry
Fa satriko hitsiry
Hamelana, hamoa
Hitombo hatrany ho soa
Hiaina izay anjarany
Anaty famiratany
Hianoka hasambarana
Ho valin-kasasarana
Hiatrika fiainana
Tsy misy fanaintainana

Satriko, eny satriko
Izany rehetra izany
Ho aminao ry aiko
Saingy ny eto an-tany
Tantely amam-bahona
Mangidy miaro mamy

Ka raha sendra olana
Izao no tadidio :
Tsy misy tonga lafatra
Fa izay miezaka
Tsy mba mitofezaka
Na inona midona,
Mijoro tsy mirona
Ireny no tafita
Na fiainana mandalo
Aza zato diavintsika

Mahereza anaka !
Ny Tompo momba anao!

(01 Juin  2006)

Sokajy : Fianakaviana

Hevitra mandeha

Oully (02/06/2006 18:05:47)

Ndry! mahafinaritra ahy ny vetsonao.
Tsy mirana navadika ihany ve ilay ANARIM

ANARIM (07/06/2006 08:04:31)

Misaotra Oully a, dia oroka mamy ho an'ise!Hihihi, ekena marindrano fa avy @ anarana fiantsoako ilay sombin'ny aiko no namoronako ny solon'anarako!!!

nyratsima (30/07/2009 10:12:22)

mahafinaritra ny vetsonao e !mankasitraka !

Hametraka hevitra

Midira aloha